mercredi, 22 février 2012

Hajao ny fahadiovana !

Dia mba nanaraka ilay soratononina izay nalefa tao amin'ny fandaharana Vahatra, TVM sy RNM hono izato izy, mba ho fanandratana ny teny Malagasy, araka ny kinendrin'ny Akademia Malagasy.

 

Fa tsara tokoa ny hafatra tao anatin'ilay lahatsoratra, ka dia zaraiko aminareo eto, no sady mba mitsapa fahaizana koa e !

 

Indro kely anefa hoy ny mpandrafitra :

1. Na izaho no miadam-panoratra teny Malagasy na ilay soratononina no voatonina haingana loatra fa dia nijaly ny tanana nanenjika an'ilay fanoratana ! Raha tsy naka feo dia betsaka ny teny na fehezanteny voadingana.


2. Misy teny sasany (teny voatsipika), tsy dia tena nahatoky tena aho amin'ny fanoratana azy na tena tsy azoko mihitsy ny dikany dia nangalam-pijery tao anaty Rakibolana.



 

Dia izay ary ilay hafatra : "Hajao ny fahadiovana !"



<< Nampisy adihevitra teo amin’ireto mpianaka ny fahitana ny soratra « Hajao ny fahadiovana» teo amina toerana iray.

Mba mahatseriky (1) ahy, anako, ny mahita an’ireny soratra « Hajao ny fahadiovana ! » ireny, mila ho isaky izay toerana alehako ! Izany matetika no mahatonga ahy hanonofy. Ny zava-tsy hananana sy tsy hita mantsy, anaka, no mahatonga ny saina hamorona ny tsy misy.

Ka manonofy inona ianao, ry Neny ?

Nofiko, mazàna, fa nanokana andro iray hiatoana, hono, ny Malagasy manerana ity Nosy ity. Natokana ho andro tsy hisainana afa-tsy fahadiovana io andro io. Dia miara-misalahy ny rehetra manao asa fanadiovana, toy ny fisorohana ny lobolobo manerana ny tanàna, fanalana ireo fako manentsina ny tata-drano, fanalana ny loto teny an-doharano, dia nangonina ireo karazam-pako ka navory teo amina toerana iray ary nodorana avy eo. Tao anaty korataba jofom-bovoka ary setroka no nisehoan’izany rehetra izany, hany ka lositra ny loto, lomay ny valan’aretina, ringana avokoa ireo bibikely mbamin’ny voalavo mpitondra aretina. Dia fongotra, hono, ireo areti-mandoza ka ny fahasalamana mifindra indray no zary nanenika ny tanàna. Da faly aby ny olo-jiaby, velon-tsiky ny tontolo, niada-pinaritra ny ambanilanitra fa tonga ny fanjakan-drafahadiovana.

Tsara be izany nofinofinao izany, Neny ! Fa ny anohizako azy dia izao : nony nanjaka tokoa, hono, ny fahadiovana hita maso sy tsapan’ny tanana dia nahatsiaro mbola fahabangana ny Malagasy. Nifanainga indray izy rehetra mba hanadio sy hanajia (2) ny fiarahamonina satria samy nahatsapa fa ny fandio iray siny tsy mahaleo ny fandoto iray tandroka, ary tsy ny indray mandeha manta vary no handevenan-tsotrobe, na ny marivo solafaka no tsy hiarenana fa mila fiarenana ny tena, mila fihasinana ny teny, mila fandio ny tany, mba ho fananganam-pirenena. Fandio ho enti-miatrika ny fahantran-tsaina manafotra ny firenena, fandio ho enti-manasina indray ny tontolo nozimbaina. Nataony hoe “Dio taona ! Dio fanahy ! ” io fandiovana goavana niarahan’ny Malagasy tsy vaky volo nientana io.


Ho fandio taona miandra majia (3). Dia zary nifoha ka nanjaka teo amin’ny Malagasy indray ilay fahendrena mifototra amin’ny fanahy no olona.

Ho to eto amin’ity Madagasikara ity, anie, izany nofinofintsika mianaka izany.>>



(1) Tseriky = gaga. Mahatseriky = mahagaga.

(2) Hanajia : avy amin'ny hoe majia ve ?
(3) Miandra majia = manao majia

22:57 Publié dans Amis, Teny malagasy | Commentaires (13) | Envoyer cette note | |  Facebook |

Commentaires

Misaotra nizara o. Vaovao amiko koa ilay "mahatseriky" sy "miandra"..

Écrit par : Fi | vendredi, 24 février 2012

Répondre à ce commentaire

Faly aho, tena faly fa afaka nizara teny vaovao :)

Écrit par : Citoyenne malgache | vendredi, 24 février 2012

ntsoooooooooo
mampatsiahy an'le ol 1 zay...

Écrit par : simp | vendredi, 24 février 2012

Répondre à ce commentaire

Fantatro hoe iza izay olona izay ! :D

Écrit par : Citoyenne malgache | vendredi, 24 février 2012

na le korataba sy jofom-bovoka koa aza tsy koboko le
:)

Écrit par : simp | vendredi, 24 février 2012

Répondre à ce commentaire

tena farany,

ito misy fanitsiana tsipelina...
http://dotmg.net/spell/check

sao dia mahasoa

;-)

Écrit par : simp | vendredi, 24 février 2012

Répondre à ce commentaire

> Korataba = kotaba misy tsofoka "or"

> Jofom-bovoka kosa tsotra e ! ohatra hoe mitora-jofo.

Fa ilay fitsarana tsipelina no tena tsara !!! Misaotra bdbdbdbdbd nampahafantatra an'io rohy io. Nataoko favori ilay pejy.

Misy diso 11 hono ny nosoratako tamin'ny soratononina :

-drafahadiovana
da
fihasinana
hanajia
korataba
mahatseriky
majia
miandra
niada-
nozimbaina
tata-

Écrit par : Citoyenne malgache | vendredi, 24 février 2012

Salut City
Si je me fais petite ces derniers temps c'est que je suis dans place, alors j'observe, je me noie et surtout j'encaisse beaucoup de choses...mais je te lis régulièrement, du moins quand je peux.
Et surtout je suis heureuse d 'être là.
Bises...

Écrit par : Mmm | samedi, 25 février 2012

Répondre à ce commentaire

Salut Mmm !

Je te savais quelque part parmi ces clics enregistrés par le compteur du blog :)
Tu es donc sur place et tu pourras vivre (observer ?) en direct une semaine qui risque d'être chaude, voire brûlante ou peut-être même explosive ?

Écrit par : Citoyenne malgache | samedi, 25 février 2012

tu vois tu vois, c'est une semaine après seulement que je lis ton post ! c'était hier soir exactement mais j'ai attendu ce matin pour m'exprimer. qu'on ne me taxe pas de camper devant ton blog ;-)

tena lava ilay sora-tononina fa tiako be na izany aza !!! Nofy azo tanterahana tsara sa ahoana ?

dia misaotra an'ilay simp nanome ny rohy manitsy tsipelina ! ha tena mahay manoratra teny gasy ihany izaho izany !!! TTT

babediabediabe

Écrit par : prettyzoely | vendredi, 02 mars 2012

Répondre à ce commentaire

Hey Pretty, tu as donc attendu l'heure d'ouverture pour commenter ? Lol.

Écrit par : Citoyenne malgache | vendredi, 02 mars 2012

Fanamarihana kely momba ilay mpitsara tsipelina: fitsarana tsipelina no marimarina kokoa fa tsy fanitsiana. Fitaovana entina mampitsikafona izay METY HO diso tsipelina ihany izy io, fa tsy mbola manolotra sosokevitra ny amin'izay tokony ho tena izy, ary mbola misimisy ihany ny "False positive", izany hoe teny tsy diso tsipelina kanefa avoakany lazainy fa diso satria tsy fantany. Farafaharatsiny zao eto ny fihasinana, korataba, mahatseriky, nozimbaina, tata- dia tsy diso tsipelina saingy tsy fantany dia navoakany. Fa mba ahitanao kosa, ho an'izay afaka manao fandinihana lalindalina kokoa, fa ny niada-pinaritra ohatra dia tokony ho niadam-pinaritra no izy.

Misaotra simp manaparitaka ny rohy ;)

Écrit par : DotMG | samedi, 03 mars 2012

Répondre à ce commentaire

Misaotra DotMG amin'ny fanamarihana momba ilay fitsarana tsipelina.

Asa goavana maha-te hidera io fitsarana tsipelina io ka mankasitraka ireo izay nandrafitra azy sy izay rehetra mbola hitondra fanatsarana.

Écrit par : Citoyenne malgache | samedi, 03 mars 2012

Écrire un commentaire