mercredi, 08 décembre 2010
Andron'ady
Tsy izaho no milaza izany, fa i Ra-justin...
Mpiandry tanàna no asany, 13 ny zanany ary 11 no velona. Efa tafavoaka amin'ny fiainana ka manana anton'asa ny ankamaroan'ny zanany, fa mbola misy efa-bavy mianatra eny amin'ny CEG. Nangalatra sy namono olona ihany hoy izy no tsy nataoko namelomako sy nampianarako ireo zanako ireo, fa rehefa mety ho asa tratry ny heriko dia nataoko daholo.
Henoko izy androany maraina niresaka tamin'olona, dia nanongilan-tsofina aho avy eo ambaravaran-kely :
Olona : Arahabaina fa nahazo Repoblika faha-4 e !
Ra-justin : Fa angaha hono nahazo ?
Olona : ie, nankatoavin’ny Fitsarana avo ny valim-pifidianana.
Ra-justin : Dia tsy misy tetezamita intsony zany ?
Olona : ie, dia prezidà amin'izay Rajoelina, dia lasa 35 taona ny fetra ahazoana milatsaka prezidà.
Ra-justin : dia 35 taona zany ve dia ahazaka fitondràna, sa mahazaka ?
Olona : Mahazaka ka... miaraka amin’ny basy ! Dia misy fety be anie hono amin’ny asabotsy e !
Ra-justin : Izaho anie tsy mihaino vaovao intsony fa rehefa tantara ihany vao maneno ny radio. Ry zareo ao amin'ny radio […] manko ohatran’ny efa adaladala fa mikanikany fotsiny no ataony ao. Dia aiza hono ny fety ?
Olona : Tsy haiko fa fety be fotsiny ankalazana ny Repoblika faha-4.
Ra-justin : Dia zany ve no hanaovana fety, dia zany ve no hifaliana ?
Olona : Fa inona no hifaliana ?
Ra-justin : Mba Krismasy ahay, na taom-baovao. Krismasy manko mba androm-pamonjena.
Olona : Fa ny Repoblika faha-4 andron'inona ?
Ra-justin : Andron'ady !
Tsy maintsy namonjy lahasa aho ka tsy henoko intsony ny tohin'ny resaka nataony teo fa dia variana fotsiny aho tamin'ny niantsoany an'ity sarina repoblika ity.
13:23 Publié dans Article, Teny malagasy | Commentaires (10) | Envoyer cette note |
|
Facebook |




Commentaires
Marina mihitsy ny an-dra-Justin , dia hampiova inona amin'ny fiainan'ny olona nefa zay fiovana repoblika, ry zareo zatra mpangalam-pihinanan ao amin'ny fitondrana zao no tena faly amin'izany sa ahoana?
Écrit par : racynt | mercredi, 08 décembre 2010
Répondre à ce commentaireZany mihitsy Racynt, manara-po mihitsy rizareo ao.
Écrit par : Citoyenne malgache | mercredi, 08 décembre 2010
Fa dia mahavariana ny fahendrena ? sa inona ? handraisan'ny olona ilay repoblika andron'ady !!! tena tiako be ny fiteniny azy
république bananière hoy i NJ izay !
Écrit par : prettyzoely | mercredi, 08 décembre 2010
Fa tena république bananière tokoa anie ity izy e, sady amin'izay bananes pourries mihitsy...
Écrit par : Citoyenne malgache | jeudi, 09 décembre 2010
Écrit par : racynt | jeudi, 09 décembre 2010
Répondre à ce commentaireÉcrit par : Citoyenne malgache | jeudi, 09 décembre 2010
Écrit par : joba | vendredi, 10 décembre 2010
Répondre à ce commentaireÉcrit par : Citoyenne malgache | vendredi, 10 décembre 2010
Écrit par : Racynt | dimanche, 12 décembre 2010
Répondre à ce commentaireÉcrit par : Citoyenne malgache | mercredi, 15 décembre 2010
Écrire un commentaire